Angamba aho raha hikozy (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Angamba aho raha hikozy hoe : tsy rariny hampihomehy
Hoe ahoana ireto : zo vaovao sy volabe
Atobaka indray ho an’ireo filoha
Izay tsy lany intsony, sy “retraite” aloha

Angamba aho raha hikozy, hoe tsy rariny indray
ny famelomana azy ireo, hoe mandrakizay
hiantohana fiara, solika, saofera
solaka, dekoro, le gladiatera

Angamba aho raha hikozy, hoe sao dia tsy rariny
dia ho avy ny kalach, Rabomba sy ny tariny
fa ireo koa mantsy, tsy te hofaty manota
ka misoleladelaka, amin’izay tsy miatonta

Angamba aho raha hikozy, hoe tsy rariny mihitsy
Ity tranobe, higalabonan’olom-bitsy
Sy ilay pasipaoro, hoe diplomatika
Nefa efa olona, degobam-politika

Angamba aho raha hikozy, hoe izao ve dia mba rariny
Efa tsy izy intsony ,ny fahefana ampariny
Tena tsy tiako izany ,revy tsy mba favy
Ompiana mandra-maty, Izy mianakavy

Ny ompa reny hatramin’izay, efa nodiana fanina
Efa ompa razana ity, ka tena tsy hampilamina
Raha hoe mandrakizay, izy no hatavezina
Ny lalana any ankoatra, asaina hakekezina
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Aingam-panahy
819 0
Hevitra mandeha
zavotany09 ( 19/08/2013 09:47)
izaho koa te-hiteny, hanamafy fa tsy mety
raha izay rehetra be sandry sy mihoam-pefy
ka mandrombaka fahefana no mbola omena toky indray
fa hiadana tsy hisasatra an-damosinay.

efa sangy mihoatry ny loha, ny hiainana izao
f'izay sahy miteny karavasiana, voadaroka tsotr'izao
saingy ny indro mampalahelo, hatraiza no fetra
sa isika gasy mihitsy no be tsetsetra ?

tsy voatanisa ireo miteny sy milaza tsy mankasitraka
nefa firy amin'izy ireny no mihinana misitraka
zary paika fandemena ny antsoantso mialà
fa ny ambadika miseho: hifampizarana ny raharaha.

k'izaho koa te hiteny, aiza ho aiza koa isika
hatramin'ny rahoviana no hianoana ity mozika
sa efa eto an-tanin'ny samy maka ho azy
hifanome lamosina eto dia samy manao anaty vazy

izay voatsirambin'ny tànana amin'ireto harena marobe
ka ny kely fofon'aina miala sisiny mandeha ?
avela hanjakany ity tany tokony ho paradisa
nefa izaho te hiteny: ISIKA ANIE MARO AN'ISA ?



Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0305