Hevitra momba ny FOLO JANOARY

Hiverina amin'ny FOLO JANOARY
vetsoko ( 13/01/2006 14:10)
mampahery an'ise tsy hitanondrika satria mbola hisy hatrany ny folo janoary.
Iony ( 17/01/2006 11:38)
Fa iza r'ise no lasa t@io raha tsy mahadiso fa toa manitikitika ahy azafady? dé mahereza r'ise ary tsarovy fa mbola hihaona e!
raozigasy ( 17/01/2006 22:28)
10 - 01 - 1995

Lavo ilay andrarezina tao amin'ny fianakaviana

MATY

Rindrim-bato, tafo vato
eny hatramin'ny fandriana
vato sisa hatoriana

Lamba rotika,nofo potika
Ilay vatanao natanjaka
lasa taolana nihanjaka

Anaranao, fiainanao
nivalona tsikelikely
tantara ho an'ny zafikely

Izany sisa voatanisa
Kanefa resaka ihany
fomba firesaky ny tany

Fa aminay ny Dadanay
dia mbola velona ihany
ary mbola mihanihany

Ao an-trano, tsy angano
fa tsaroanay lalandava
isak'izay misoka-bava

Raha mivavaka, tsy voaavaka
fa mbola miaraka aminay
toa mbola velona indray

Ny tonon-kira raha mihira
dia ny kalony ihany
no ventesinay hatrany

Rehefa i Neny, tsy miteny
ary lasana ambiroa
dia indro zahay fa taitra koa

Ka tsiaro , mifangaro
alahelo, fahabangana
lavaka izay mangotana

no iainany sy isainany
f'efa lasa tsy hody intsony
ilay vady tao am-pony

ka izay, izahay
vao mba tonga saina indray
fa efa maty Dadanay
pissoa ( 09/02/2006 09:48)
Mahereza, dia mirary anao ho andrarezina toa azy!
Pissoa
pitoussy ( 16/01/2007 11:46)
10 janoary, 10 janoary, daty tsy ho adinoiko ihany koa :'(
sotsa @ le tononkalo, dia mahereza

"...fa aminay ny dadanay,dia mbola velona ihany.."
ledada ( 25/01/2007 06:33)
8 janoary, daty iray namaritra ny fiainanay ihany koa, roa taona lasa izay...d mbola mitambolona ts hayvonoina ireo fahatsiarovana isaky ny misy daty hafa hahatsiarovana azy:fitsingerenan'ny andro nahaterahany,fetin'ny reny...sns
raozigasy ( 29/01/2007 20:48)
Misaotra ny namana rehetra amin'ny fampaherezana e,

Izay ilay lalana sy lalàn'ny fiainana !!!
Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0094