Hevitra momba ny Fotaka tsy mandry

Hiverina amin'ny Fotaka tsy mandry
fahamarinana ( 29/05/2009 20:33)
Mino aho fa efa tsy mitsamboatra intsony izy ,sa ?
Zozoro ( 29/05/2009 22:38)
Dinika iray notehirizin'ny tsy ambaratelo ve
no nanaitra izato fo ka nampamelovelo ?
fa nosokafan'ny efa lasa ilay diary an-dakira
ka manely vovoka hampihevina nampihato izato hira ?

Banjino itsy volana dia raiso ny valiha
dia angonony moramora ilay kalon'ny fitia...
raozigasy ( 30/05/2009 08:37)
ilay tahiri-dinika iny , rakitr’ilay tsy ambara
no fanalahidy koa, namoha mandry ilay tantara,
niselonaniny ny androko, ka teo indray aho izay vao nino
fa tena adinoko mihitsy , ilay nihinam-boamanadino

ilay karoka tsinahy, hitady rohy tao an-tahiry
no anjombona nanaitra, ilay lasa hidiridiry
niseranany indray maka, ilay vinaninaniko iny
ka namololololon-tsiky , ilay diariko fahiny

ilay tondro diso tendry, taratataratra famehana
no nampitsidika ahy hijery, ilay daty diso izay natrehina
ka zary fongatry ny lasa, sy famadihana tsy nahy,
ireo sovenira maro, tany ambany rangolahy

dia tsiky feno sy tanteraka, no navaliko ilay tsiahy,
niainana tokoa izany, izay ilay lasa, izay mba ahy,
dia sento tokana mangina, tora-po tsy nisy nenina
no namalonako indray, ilay fahiny tsy hay afenina
mangidy ( 30/05/2009 22:08)
Fahiny hoy ianao, izany retra retra izany
Kanefa tsy ho adinoko satria nahitako mamy
Tao ny tsiky sy tomany ary koa reo hanihany
Nifandimby nefa hoy aho tsiaro daholo izany

Koa ankehitriny re, raha mbola ao ilay fitiavana
Izay voatahiry anatinao sy ireo fahiny tsy azo lavina
Ampatsaivo azy koa, fa ianao ilay nankamamy
Irony tsiron'ny fitia, mamy toy ny siramamy


Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0102