SANGODINA ( ALBUM SANGODINA ) Ny Andri- Fara (Raphael Spartacus)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SANGODINA
Tsy nampoiziko ho roa
izao ny làlana tsy maintsy
Ho diaviko mandritra
ny andro-piainako.
Satria androany aho
Etsy no hizorako
Ampitso iry no hisafelehako
Ny ny hanina
Na ny fitafiana
na ny hofan-trano
na ny saram-pianarana
Izay tsy maintsy hatrehako
Izany no tadiaviko .

Iny zotra niatsinanana iny
Tsy azo hizorana
na andrefana
Indrindra fa ny avaratra
fa ny atsimo kosa...,
Misampanana ny làlana
dia ny ankavanako no diaviko
any mantsy ilay malalako
difotrin'ny hanoanana
tsy misy antokona ho hanina
ka ny tenako hanavotra
Aiza izay mba vola ?!
hanampiana ny ho enti-manana .

Maro ireo sarangan'olona
milalao ny firenena
tsy afaka mitraka intsony ;
Noho ny tsindrihazolena
Ireo vahoaka noterena
Hanaraka ny didiny...
Tsy didim-panafahana

mahantra ny vahoaka
miaina anatin'ny alahelo
Sangodina ny fiainana
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
79 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Raphael Spartacus
Nampiditra : SANAKERIB
Daty : 22/05/2024 08:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0186