NY TANINDRAZAKO (rarivomanitra harinambinina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny taninandrazako dia tiko
Satria tany niaviko
Gasikara no anarany
Aiko tsara ny tantarany



Nosy misary tongotra ankavia
Ny foko(18) rehetra mifankatia
Ny fihavanana no mampiray
Lova avy amin'ny razanay



Harena maro sesehena
Vatosoa sy volamena
Ny mpitondra voky hena
Ny vahoaka mahonena



Hazo sarobidy
Amidy mora vidy
Ny mpitondra no mandidy
Fa izy tsy voahidy
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
967 1
Mpakafy: bine
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : rarivomanitra harinambinina
Nampiditra : bine
Daty : 30/04/2017 14:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2015