tsaroako (rarivomanitra harinambinina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
lasa izy , ka tsy hiverina intsony
tsaroko ireny sangy sy fitsikinao
tsaroako ireo anatrao
ka nijanona ato an- tsaiko ny endrikao.

.
.
vao lasa ianao , latsa- dranomaso no nisy tao
tsaroako ireo fatsiarovana nomenao
ataoko sarobidy izay ananako
ka tsy avelako hiala eto an- tanako.

.
.
nosoratako ity tononkalo
mba ho fahatsiarovana anao
ilay ray aman- dreny nikalokalo
ka nomenao anay ny fonao.

.

.
be ireo zavatra nosedraina
fa ianao tsy mba adino
mangataka anao aho : mba fihino
mba ho tonga lavitra am- pifaliana
--------
Rohy:
879 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : rarivomanitra harinambinina
Nampiditra : bine
Daty : 18/07/2017 20:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.021