Aretina sy fanafody (RASTAPHANAH)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aretina

Voadonanao ny foko tamin’iny
Babonao ity foko tsy nana-tsiny
Ka tia anao aho ankehitriny
Tia anao aho ka dia miala tsiny

Satria tsy haiko raha tsikaritrao ?
Ireo fihetsiko manoloana anao
Lasa adala angamba ahy hoy ianao
Nefa ny fitiavana anao noho naha toy izao

Tsy haiko anefa raha mba misy fitia ?
Eny na dia sombiny aza ao am-pondry
Ambarao fa efa miandry ny aty
Mba hanasitra ilay aretim-pitia

Raha sanatria ilay fitia ka tsy misy
Tsy hanery anao aho fa dia indrisy
Hitady hafa aho sao mba misy
Ary manantena aho fa tena hisy

Fanafody

Fomba fiteny ny hoe handinika kely
Na izaho koa anie mba many irery
Ka indro re ny foko omeko anao
Ho anao irery ry malala ka hanjakao

Tsy noho ilay talao no anolorako fitia
Ilay bitsika mangina no nanosika ahy ho tia
Ka inty aho ho anao irery
Manana anao aho ka tsy mba ho very

Ilay nandratra ny fonao taloha avelao
Ny azy fitia mora loa, angamba kilalao
Ny antsika banjinina fa ho lavitra ny dia
Ny fiarahako aminao iriko ho doria
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
794 1
Mpakafy: Rastaphanah
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASTAPHANAH
Nampiditra : Rastaphanah
Daty : 09/05/2017 16:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143