Izao fisiana izao (Ratsifa)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izao FISIANA izao
Dia tsy Tonga Tonga ho azy
Fa nateraka fitiavana
Ny tsisy Tonga misy
Ny misy ho tsy nisy
Fa tsisy noforonina
Avy tamin'ny misy
Izao fisiana izao
Ny tsisy fantrao
Ny misy avy aminao
Saina no nitia
Ary saina no nanaiky
Avy aina avy amin'ny aina
Ary Nofo avy amin'ny nofo
Ny vatanao voahary
Ho vatana, fanahy
Saina ary fo
Voarafitr'i Nahary
Aina iray nitambatra
Avy tamin'ny ain'ny roa
Vavy sy ny lahy

Ho fisiana Tonga vovoka
Rahatrizay ny nofo
Ny vatanao ho lo
Ho lasa vovontany
Izao fisiana izao
Mbola ho tsy fisiana.

RATSIFA mpanoratra
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy - Fitiavana
204 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Ratsifa
Inséré par : RATSIFA
Date : 03/06/2025 06:31
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0104