Ho an'ny Malagasy (Ratsifa)

Nantsain'i Ratsifa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nangina teo ny peniko
Fa nidradradradra ny eritreritro
Ranomason-tava no injao nirotsaka
Dia nitabataba niantso izay mpangoraka,

Fahantrana lava, fanampenam-bava,
Basy no miranga na mitady hanazava
Sy mba mitaraina ny fanahy, fo, saina.

Fa mihatra aman'aina ny fiainana iainana eto
Fotsiny, misento.

Nangina teo ny foko, tsy afaka hitoloko
Ho anao ry Gasikara.
Ny olonao, voarara,
Hendry dia mangina tsara.

Nangina teo ianao,
Na dia ny harenanao nataony lany ringana
Ny marinao voafingana
Matory tsara ianao na mandry andriran'antsy
Voatafika amin'ny basy ireo havana malala
Mangina ianao no tsara e!

Ary izao ianao, mbola hangina foana?
Na efa bokan-trosa, na efa maty noana?
Mbola hangina ihany
Na efa hatrany hatrany
Ny taninao namidiny?
Ny tranonao naringany nomeny ireo vahiny?
Ho sakafo, ho fitafiany, izay kely tambim-bidiny.

K'ianao ankehitriny, mbola hangina foana?
Tsy miteny toy ny moana?

Eny, tsy hangina intsony angamba,
Fa dia hivazavaza sy hitabataba
Sy hidradradradra raha misy raha mitranga
Hanala ny tsy rariny,
Hanarina ny hoaviny
Hanangana ny rava
Ho an'ny Malagasy.
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
257 2
Mpakafy: Djess - hery
Hevitra mandeha
Djess ( 12/11/2023 04:23)
Kanto lesy izy izany❤❤❤
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ratsifa
Nampiditra : hery
Daty : 11/11/2023 11:11
Antsantononkalo
Nantsain'i Ratsifa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144