You are here: home > Vetso

Fiangonana Fo Masin'i Jesoa ao Soamanandray - Ravelomanantsoa Jean Félix

Azo vakiana?

Niainga ity mpamafy hamafy ny voa
Ka nizarazara mba hanasoa
Hanitatra hatrany ny fanjakan'ny Ray
Ka indro fa tojo teto Soamanandray

Dia tonga i mompera Jean Beyzym
Izay niara-niasa tamin-dra-Cathérine
Ireo no voatsinapy nilatsaka tetý
Ka tsy ho adino mandrakizay doria

Ny taona fito amby sivifolo sy valonjato sy arivo
No holazaina ka indro fa tsy tsiahivo
Ilay lamesa voalohany natao hampiray
Tao an-tranon'i Paul Rainizanany izy izay

Indro fa nitsiry ilay voatsinapy
Ka ireo kristianina dia efa niha-niampy
Ka i Rainialijaona sy Rainiketamanga
No nanome tany fa tsy nihambahamba

Natao ny fanorenana ilay trano zozoro
Izay notokanana ny enina jona
Valo amby sivifolo sy valonjato sy arivo
Io no Batemy voalohany ka tsiahivo

Fo Masin'i Jesoa no mpiaro nofidiana
Teo no nifarana ny anjaran'i Beyzym
Ka ny lakolosy teny Ambahivoraka
Dia nomeny ho an'ny Fiangonana

Dia niasa mafy ireo kristianina
Ka dia tanteraka fa vita ny Fiangonana
Samy niasa fa tsy mba nijanona
Ka ny asa vita no fara-fiononana

Ny taona sivinjato sy arivo no vita ny eglizy
I mompera Campenon no nitokana ity izy
Koa dia tanteraka ny fanirian'ny Ray
Hanorina eglizy eto Soamanandray

Ry taranaka o, sy zaza navela
Tsarovy lalandava ity rakitry ny ela
Fa lany mondron-kery ireo ray aman-dreny
Mba ho lovantsika ny anton'izy ireny.

Sokajy : Tanindrazana, tantara

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Ravelomanantsoa Jean Félix


Nampiditra : ikalamako
Daty : 29/07/2019
Mpamangy : 74
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Ny any aminay