Ny any aminay (Ravelomanantsoa Jean Félix)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vohitra kely izay manan-tantara
Tanàna nipoiran'ny fahazazana
Toera-mamabo ny fahatanorana
Ka tsy ho hadinoiko fa ao no hiafarana

Izato tanàna dia manan-tantara
Izay tsara ho fantatry ny dimby amam-para
Ka ingahy Rainitsizafy no andeha ambara
Fa izy no fototr'izato tantara.

Indray andro raha nanasa lamba
Ity tovovavy tsy nihambahamba
Dia indro ny Mpanjaka Ranjaka nandalo
Tonga dia nentiny ka tsy afa-nimalo

Kinanjo raha tonga tany an-drova i Soa
Zanak'i Rainitsizafy izy io aloha
Fa manamboninahitra ity rain'ny zaza
Ka ny mpanjaka avy no voakotaba

Dia hoy ny mpanjaka ho setrin'izany
Alaiko ho vady izy fa tsy hijaly
Kanefa tsy mety ihany rangahy
Raha tsy hanaovana trano ho tambin-draharaha

Ka trano mitovy amin'ny Rova mihitsy
Izay tsy dia fahita fa vitsy dia vitsy
Io no fototry ny anaran-tanàna
Ka mba tsarovy fa ho lazaiko tsara

Raha tsy nanana Ray mantsy i Soa
Dia tsy fantatra izay niafarany tokoa
Fa soa ihany izy fa nanandray
Ka dia nantsoina "Soamanandray"

Eo amin'ny "SOMACOU" no làlana mankany
8 kilaometatra miala eo angamba izy izany
Ka ny famantarana dia ilay "la croix"
Izay tsy mahalala, tongava mizaha.


Soamanandray, 10 mey 1995.
--------
Rohy:
Sokajy : tantara - Tanindrazana
1001 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravelomanantsoa Jean Félix
Nampiditra : ikalamako
Daty : 29/07/2019 17:14
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139