FAHALEOVAN-TENA (Ravo)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FAHALEOVAN-TENA Tsara akia indry ilay mitsikoninkonina
miandry takariva ankatok'hasaramanitra :
mamelabela-tsihy dia manasa anay hihinana;
angamba kilalao, fa tena nahafinaritra!
Tsara ho'aho indry ilay mivimbina fanala,
mandeha manani-bohitra mitety ny tanà na,
mihira hafaliana sy mandihy mitotorebika;
fombafomba ireny fa kosa tena mendrika!
Tsara koa indry ilay mitafy vao ireny,
manatitra ny hasina ho an'ny raiamandreny;
dia mbola tsara foana fa voatsodrano tsara
ho dimby hamelo-maso ny tohin'ny tantara.
Fahiny dia toa izany no fetim-pirenena,
fa kosa, ny anio, indry dia tsara foana
raha mahatahiry izany tsy levon'ny fotoana!
Ny hoe : "MAHALEO TENA" !!!
aza variambariana amin'ny hoe mifaly fotsiny
fa hevero koa indry hoe "efa tsara hatrany am-potony".
Ravo, 66 - 6 - 26 - 2026
--------
Rohy:
Mpakafy:
TosakaMg
