kilalaon-jandry (Ravo)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ilay zokin'indry ange toa mora isaina ihany,
tsy averin-droa ny "ts" fa ampy ny hoe "e!"
dia manatona avy hatrany.
tsy ela ifankazarana
fa vetivety monja
dia fantatra avokoa mihoatra noho ny anarana,
an-trano aza, "tonga".
fa hay ianao mihitsy
no tena maika be,
izy iny vao mihodina, sendra mba midify
dia ianao efa eo fa hoe :
"kilalaon-jandry,
tsy maninona fa mety..."
dia tsy mahita hatao fa saikatra ilay bandy,
ary lasa vetivety.
mihevera tena aloha
fa aza izy no andrasana...
mandehana mihitsy ianao e! ny azy ho avy eo koa
rehefa tsy eo ilay zandry sakana.
Ravo, André Vonjitsoa RAKOTOARIVELO
--------
Rohy:
Mpakafy:
TosakaMg
