Saka kely tia (Ravo)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Saka kely tiaIlay saka manga maso
Mangataka fijery,
Maniry safosafo
Ka manjohy foana eny.
Manaraka eny foana
Ilay sakakely fotsy,
Tsy misy hoe: "ahoana?"
Fa maniry hifampitosy.
Fa asa raha mba ho tiany
Ny hatolotro ho azy, indrisy...
Rehefa hiaraka izahay,
Tsy misy kiraokety,
Fa tapaka saosisy...
Sakafo mampanahy.
Ravo.
--------
Rohy:
Mpakafy:
TosakaMg
Hevitra mandeha
Azrael666
(
17/08/2026 07:29)
Hahahaha... 😊 mampiainga fanahy koa ny "saka" ankehitriny: saka ma...laho, saka tavilotra, ny sakasaka v... akoho... Misaotra mitondra tsikitsiky e!
