Ampidiro aloha ny tenimiafina
SOA (Ravo)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SOAbetsaka ireo vitsy an’isa
mitaha ireo maro tsy niteny,
nihevitra izy fa nandresy
teo anoloan’ireo nangina
fa rehefa hitranga ho hita kosa
izay hevitry ny maro
aza ianao mitolagaga
fa bitika sy tsy ampy vina.
Aza ianao sasa-mihevitra
fa hoe marina ombieny,
Ny fahalahanao dia feran’
ny fefin-jon’ny hafa koa
Koa raha mitatasiaka ianao
dia aoka koa hahatsiaro:
Tsy ny tabatabanao no inona
fa ny mandefitra koa soa.
Ravo
--------
Rohy:
Mpakafy:
TosakaMg
