TAMPIM-BAVA (Ravo)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TAMPIM-BAVA Moa mbola misy ihany
Ireo vava tsy avela
Hanambara ny ao am-po?
Ny fitiavana hono manko
Tsy mba sahy aderadera
Sy toriana tokoa
Fa sao ianao ka handà!
Zary sakana tsy nahy…
Moa mbola misy vava
Voasakana tsy hiteny
Hanambara ny tantara?
Na dia teny iray ihany aza
Dia tsy ho voalaza velively
Raha ny saina no mandrara
Ho fanajana izay tiana,
ka misitraka ny hangina…
Eny tena misy vava
izay manaiky hangina
sy tsy hiteny intsony.
Fa ny ataony kosa angamba
No famantarana itoriana
Ny ao an-tsaina sy aty fony:
Ilay tena fitiavana
Hanompoana tanindrazana.
Ravo na André Vonjitsoa RAKOTOARIVELO
--------
Lien:
Fans:
TosakaMg
