TAONA VAOVAO (Ravo)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
taona vaovao Poa toa izay dia lasa,
nivadika ny taona,
kanefa izay kinasa
tsy nisy vita akory.
Ny hery anefa lany,
reraka nimaona,
dia sorena be ihany
tsy te hanohy intsony.
ny taona ihany anefa
no lasana nandao,
tsy hoe lasana nilefa
fa nisolo ho vaovao.
ka aza mora kivy
fa ianao mbola eo ihany,
na tsy hisy aza handimby
ny ezakao hitoetra hatrany.
Ravo. André Vonjitsoa RAKOTOARIVELO
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana
Mpakafy:
TosakaMg
