tsy hamoizako anao (Ravo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy hamoizako anao

'Lay sora-dani-manga mamiratra mba tazako
no hany tsy hamoizako anao ry tanindrazako,
ny ala maitso manko efa natao kitay
ka fongana sy ringana ny rakotrao fahizay.

'Lay tamban-teny iray lalaiko sy ekeko,
tsy voasolo an-teny hafa, ilay hoe : "fireneko"
no hany tsy hamoizako fa mbola itiavako
anao reny niandohana, anao tanindrazako.

Firaisankina, fihavanana : soatoavina deraiko,
na dia tadiavina horavaina, anao ka mbola holalaiko;
fototry ny fahalemana eto aminao ilay malalako,
toe-tsaina tsy hamoizako anao tanindrazako.

Tany, teny, toe-tsaina; fanoitra tsy ho hay hadino;
ireo no koloy sy tsimbino, asandrato ho fanilo
mba hampita tsy ankijanona izany hoe fitiavana
hentina hampandrosoa ilay "Gasikara" tanindrazana.

Ravo, 14 Jona 2003
loka voalohany
natolotry ny akademiam-pirenena malagasy
ho fankalazana ny iray volan'ny teny malagasy
taona 2003
--------
Rohy:
25 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravo
Nampiditra : TosakaMg
Daty : 06/08/2026 20:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0114