You are here: home > Vetso

Kanton\'lay fitiavany - rfjo

Azo vakiana?

Any ho any,
Misy toerana iray,
Tany no nitsiry
\'Lay fitiavany,
Nahatsiarovana indray,
Ny tsara sy kanton\'ilay
Olon\'iray!

Nomeny ahy,
Fo nofenoina fitia,
Noraisiko amin\'fy
Satria samy tia,
\'Njary namiratra ery,
\'Lay masoandrom-pitia,
Satria tena tia!

Hery iray izany satria,
\'Lay fitia nolalaiko tsy nolaviny,
Fiainana soa, hasambarana koa,
Ilay fikasanay ho tò
Ho tanteraka tsy ho lò

Ka ny mba fanirinay,
Hiarak\' ho mandrakizay,
Narahim-pitiavana koa !
Ilay fiainana soa ,
Tontolom-pitiavana iray,
Mitoetra ho mandrakizay,
Tena hasambarana soa
Ny kanton\'ilay fitiavany!


rfjo!

Mombamomba

Mpanoratra : rfjo

Nampiditra : rfjo
Daty : 01/08/2006
Mpamangy : 999
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Mitsikia ianao!
Ato anaty foko ato
Ny fiainantsika ety!