Ato anaty foko ato - rfjo
Azo vakiana?
Ato anaty foko ato,
Misy feonao iray,
Feon'ny tsikin'ny fonao,
Feo mikalo nampiray.
Ato anaty foko ato,
Misy teny maminao,
Misy bitsikao tavela,
Misy tsiky tsiaro anao.
Ato anaty foko ato,
Misy misiterinao,
Misy sary endrikao,
Misy sora-tananao.
Ato anaty foko ato,
Misy sentosentonao
Misy veton-kira iray,
Vetso ny anaranao.
Satria ianao no ilaiko
Hirahiraiko ato an-tsaiko
'Zay hanjary holalaiko;
Ny anaranao ry aiko,
Satria ny feonao mikalo,
Sy ny hiranao manako,
Dia mitondra zava-kanto
Ato anaty foko ato.
Mombamomba
Mpanoratra : rfjo
Nampiditra : rfjoDaty : 28/07/2006
Mpamangy : 1645
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Kanton\'lay fitiavanyMitsikia ianao!
Ny fiainantsika ety!