HITALAHOAKO RAY O! (RFR(binahkoely))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa ankiniko aminao
Ry Raiko tokana mahery
Ity anjaran-janakao
Tantano tsy ho very

Ilay nofidin'ny foko
No hitalahoako izao
Ilay tiako tsy ho soloiko,
Ho entiko anatrehanao

Fa ianao irery ihany,
No itokiako sy antenaiko
Hamaly izany vetso izany
Hetaheta nandrandraiko

Iny tokana, iray
Tena tiako fa NIRINA
Efa safidiko iny Ray,
Nosafidiako ho olon-tiana

Tsy fitiavana mmandalo
Fa fitia mandrakizay
Tsy ho resim-pahavalo
Fa miankina amin'ny Ray

Fa ianao efa nandresy,
Aminao tsy miahiahy
Aminay ianao no fefy
Miaro ny fakam-panahy

Dia apetrako aminao,
R'ilay tompom-pahefana
Mino aho fa sitrakao,
Ny hanome fanantenanana

Nosoratan'ny RFR LE 13/02/2008 à 23h08mn
--------
Rohy:
1477 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFR(binahkoely)
Nampiditra : kantokoely
Daty : 14/02/2008 12:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132