Idada sy Ineny (Régis Rajemisa-Raolison)

Nantsain'i jantina
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Idada sy Ineny

Ny tiako sy mamiko indrindra
Eto an-tany dia Idada sy Ineny
Fitiavana miara-mirindra
No samy andalàko azy ireny.

Ny lanjam-pitian'izy roa,
Mitovy ka ataoko sahala,
F'ireo sinibe manga roa
Ka tsisy izay tombo sy hala.

Noho Ineny no ary ny tena,
Noho Idada no velon-tsy ory;
Ineny nitondra am-babena,
Idada nilanja antsangory.

Ineny e fola-damosina,
Idada niempaka tanana,
Ka samy niara-nitrosina
Mba hamelona sy mba hampanana.

K'ianao velon-dray eo reny,
Tsarovy ny soa be noraisina;
Ianao eto iharan'ny teny,
Ka aza misehatra ny haizina.

Tsy fidin'ny zaza kamboty
Ny ho velona tsisy mpiahy,
Fa hadinon'ny fasa-mpioty
Izy ireny ka velon-tsy nahy !

F'ianao mbola velona Ray,
Ianao mbola velona Reny,
Soraty ho mandrakizay
Ao am-po ny nataon'izy ireny.

Tohano raha sendra ka reraka,
Ampio raha sendra ka ory,
F'izany no manatanteraka
Ny sitraka enti-matory.

Koa aza hadinoina na oviana
Na atao tsindry ila mizàna,
Na Ineny niangotingotiana
Na Idada nihantahantana !

R. Rajemisa - Raolison
--------
Rohy:
1229 2
Mpakafy: jantina - hery
Hevitra mandeha
TononkaloNM ( 12/05/2023 09:56)
Mampatsiahy ny taloha, nianarana tany amin'ny primaire ity tononkalo ity.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Régis Rajemisa-Raolison
Nampiditra : jantina
Daty : 23/09/2019 16:59
Antsantononkalo
Nantsain'i jantina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137