Iny ranomasina iny (Régis Rajemisa-Raolison)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mangoratsaka ny volam-penomanana,
Mavamavana ny tany ianjadiany,
Indro kosa fa ny foko miantsinanana,
Manin-dava iny Ranomasina iny!

Eny manko, ry nambabo 'zany foko,
Fenomanana mangasohaso loatra
Ty hariva mahamanina misoko
Ka tsy tanako ny saiko fa mitroatra.

Toa tsaroako vao omaly eny! Indrisy!
Lay harivan-dohataona ohatra izao,
Teo akaiky, teny lavitra, tsy nisy
Afa-tsy ny tenako sy ianao!

Ndreny tonga avy eny am-paravodilanitra
Toa nandroso teo an-tratranao ny alona,
Ka ny taratry ny volana eny lavitra
Toa nisafo ny onjanao mivalombalona.

Mbola henoko ao am-pototsofiko ao
Ny fidobokao narahin-dritsoritsoka,
Tamin'izay nifafifafy kosa ianao,
Ka ny maso sy ny foko niara-ditsoka!

Teny an-danitra nananika tsy an-kiera
Lay volana an'arivo no nianjera
Teny an-tendron'onjanao tsirairay.

Fa ny itiavako anao indrindra koa,
O! ry rano tsy hita lany, tsy hita fetra,
Lay maraina vao somambisamby soa
Mampandretsika ny zavatra rehetra.

Ndreo ny lakan'ny mpanjono somariaka
Miparitaka eny rehetra eny,
Toa felam-boninkazo napariaka
Am'izato rano be mangeniheny...

Indro kosa arahi-maso avy eny amorona
Sambo iray ande-hianga manalavitra,
Mihakely mihakely toy ny horona,
Ary farany dia atelin'ny lanitra.

Lasa iny : ho tafita soa va re?
Hontsa mafy zany fo maminavina,
Mb'hafahafa tony olombelona e!
Na ny lasa na ny tonga itomaniana!

O ry ranomasim-be manjepijepy!
Kely loatra ny olombelona ka fanina,
Zany masony toa azon-drepirepy
Manoloana ny herinao tsy hita laniny!

Mangoratsaka ny volam-penomanana,
Mavamavana ny tany ianjadiany,
Indro kosa fa ny foko miantsinanana,
Manin-dava iny Ranomasina iny!

REGIS RAJEMISA-RAOLISON
--------
Rohy:
2395 3
Mpakafy: ikalamako - kat2 - booboo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Régis Rajemisa-Raolison
Nampiditra : Vanilla
Daty : 07/02/2004 22:59
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144