ARY ENAO AHOANA (RHAd)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zaho lay Malagasy nanao fifanekena
Hanandrata ny Teniko amin’ny seha-pifandraisana
Zaho mivonona hiady, hampisy fihavanana
Eo amin’ny samy Malagasy mba ho rindra-piainana

Zaho lay Malagasy mitady fandresena
Sy mikatsa-panafahana ho an’ireo tapenam-bava
Zaho koa hijoro handrava ny elanelam-piainana
Misy reo mahantra sy reo mpanan-karena

Zaho lay Malagasy sahy hanolo-tena
Hiaraka aminao hanao zay hampandroso
Lay tanindrazan-tsika mba ho firenena
Vanona, lova sarobidy ho an’ireo solofo

Fa raha tsy zaho sy enao lay manana omena
No ifanotrona hanao izany rehetr’izany
Dia ho very maina foana lay toki-panekena hoe :
Ry Tanindrazanay malala o! Ho anao irery ihany

RHAd
--------
Rohy:
1163 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RHAd
Nampiditra : RHAd
Daty : 18/05/2011 06:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144