RAIKI-PITIA - RHAd
Azo vakiana?
Mampitondra hafaliana
Ny orokin’ny olon-tiana
Ka toa vaky niparitaka
Lay fo efa nibitaka
Nampitsikiny ny tontolo
ka babony ao daholo
Zay nitady ny ho tiavina
Sy zay nitia ka tsy nolavina
Dia tsy andry mihitsy ny fotoana
Fa satry foana hifampitaona
Sy hifandray am-po tsy miato
Fa voahosotra aram-bato
Lay tempolin’ny fisiany sy
Reo teny ankamaminy
Tsy azon’iza ho takarina
Tsy azon’izan’iza amboarina
Azy irery ny habakabaka
Namelarany fitiavana
Tsy an-kiteny koa ny vavaka
Namenoany ny finiavana
Hiditra amin’ny lalin-dalina
Hamikitra amin’ilay nakarina
Ho ravaky ny fo mitia
Hitoetra an’ilany eo doria
Nafoiny zay rehetra azy
Nekeny ny hande sahady
Hiantsampy an-tratran’olon’iny
Hanoa zay rehetra faniriany
Fitiavana tsy misy fetra
Fitiavana manoa ny etsetra
Ho azy anie ny fanamperana
Ilay fitiavana indray miserana
Mombamomba
Mpanoratra : RHAd

Nampiditra : Rhad
Daty : 06/12/2012
Mpamangy : 1839
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
RY MALALA !NY TANTARAKO
RESIN'NY TIANA
VOADY
Faran'ny Noely
V I T A
ART D'AILLEURS
L’ENTRAVE
SI MON CŒUR
TOUT EST GATE