BARAINGO - RHAd
Azo vakiana?
Tsy tantiko eny mantsy
Tsy avy tamiko raha toa
Izy no namafy ‘lay vonindraoziko
Kanefa foiny ho faty
Fa taminy ary ve tsy nisy maminy
Ny tontolom-piainanay
Fa ankona ary ve lay nomaniny
Ho fo mitempo ho iray
Ahoana no fandemy reo tomaniko
Te-mbola hanotrika fitia
Ao am-pony efa lao
Dia ahoana, nefa izaho
Te-mbola hikiry hankafia
Ny alin-kisa an-tratranao
Hatraiza no ho voaraviko
Amin’ny ratra-poko zao
Mankaiza no ho diaviko
Raha tsy hahita intsony anao
Tsy tantiko eny mantsy
Tsy avy tamiko raha toa
Voakatsanao androany lay vonindraoziko
Fa hay tam-ponao, ratsy
Sokajy :
Fisarahana, Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : RHAd

Nampiditra : RHAd
Daty : 10/06/2011
Mpamangy : 1194
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
RY MALALA !NY TANTARAKO
RESIN'NY TIANA
RAIKI-PITIA
VOADY
Faran'ny Noely
V I T A
ART D'AILLEURS
L’ENTRAVE
SI MON CŒUR