DADA ô! - RHAd
Azo vakiana?
Nahoana moa ry Dada no
Nilaozanao zahay
Dia nipitrapitra irery
Kamboty velon-dRay
Fa tontolo ratsy lahatra ve
No narindranao sy Neny
No dia navelanao hanjahatra
Lay tokatrano kely
Tsy fantatrao reo ratra
Niambezo anatinay
Tsy tsapanao fa vatra
Niandry anao zahay
Rinambinay daholo
Ny aretina sy jaly
Dia lavo sy nikoro
F’ianao tsy mba namaly
Dia norafetinao ‘reo vinga
Hijofo ny fiainanay
Dia nadabokao lay singa
Hany nifaharanay
Tsy fantatra ‘reo vetso
Namony anatinay
Ka voataranganao hatreto
Lay aina nampiray
Aok’izay reo alona
Fanosikao ankaso fa
Am-ponay dia nivalona
Sy ritra ranomaso
Ka raha tankina hatomaratra
Ny fonao re ry Dada
Mimpodiana ndao mba hiaraka
Fa ny fitiavanay tsy mivava
Mombamomba
Mpanoratra : RHAd

Nampiditra : RHAd
Daty : 16/06/2011
Mpamangy : 1810
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
RY MALALA !NY TANTARAKO
RESIN'NY TIANA
RAIKI-PITIA
VOADY
Faran'ny Noely
V I T A
ART D'AILLEURS
L’ENTRAVE
SI MON CŒUR