Eny ho’aho ry Tiako (RHAd)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tanaty jerinao niotazako fitamby
Mba, hanambitamby ny aiko.
Teo imolotrao, notsakaiko ny fitsiky
Ka nampitsiky ny androko.
Tontolon’ny fonao norombahiko natiora
Dia, nomenao tsy an-tery.
Ka ny amiko rehetra dia nirakitra lay ora
Fa, babonao irery.

Dia lalaiko irery Ianao raha, ny fitia no lalako;
Hiantefa hatreny an-danitra, hanitry ny anjarako.
Fa natopatopanao ny kalisin’ny fitiavako
Ka tondrakao ny foko, feno, tena vonto.
Eny resy zaho rahavako

RHAd
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1038 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RHAd
Nampiditra : RHAd
Daty : 09/05/2011 09:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142