FINARITRA NY FO (RHAd)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lay mason-tsika nifanojo
Lay fo nidoboka hafahafa
Miampanga tsy an-kitafa
Fa maniry anao ny nofoko

Lay endrikao tsara tefy
Lay tsikinao manjopika
Njao mandoro sy mampita
Lay filàna tsy voafefy

Lay volonao tsora dia
Lay vatanao tsara voatra
Misy hery mampitroatra
Te hamihina an-dry

Lay masonao baribary
Lay fande miantsiantsy
Mampanonga ny tsitanty
Fahafinaretana voahary

Lay oroka nifanolorana
Reo rantsana nifamatorana
Dia aina nifamezivezy
Nitondra teny Antampitrohatra
RHAd
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1207 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RHAd
Nampiditra : RHAd
Daty : 18/05/2011 06:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014