HO TSAPANAO FA (RHAd)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Milentika, mandray, mipaka anatiko ao
Ny endrikao ry tiako, fa babonao ny foko
Ny tenako miahy tsy manadino anao
Na mbetika iafiako aza, reo antsanao misoko


Tomoetra tsy mifafa reo alina tadidy
Navelako hitsapa ny halalin’ny fo tia
Angamba enao raha maka ‘lay fanalaidy
Dia ho tsinjonao fa zaho mbola mifangy


Reo tebitebin-tsainao sy haninao mameno
Lay vongana tavela, tsy levon’ny fotoana
F’ ireny tsy hanafoana ny fitiavako efa feno
Raha toa enao manaiky, zaho tianao foana

RHAd
--------
Rohy:
Sokajy : Hanina - Fitiavana
1004 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RHAd
Nampiditra : RHAd
Daty : 09/05/2011 09:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098