INDRISY - RHAd
Azo vakiana?
Misaly famoizana va ny fitiavako
No toa hafahafa sy be fanahiana
Manomban-ko faty va ny retsiky ny avako
Manarak’izany ny foko dia gina
Naoriko ho ela mantsy ny lapam-pitiavako
Kinanjo mihoraka ty ny fandrava
Folahiny hilefitra ho any ny lalako
Ka indro ny lanitro “TIA” mihamisava
Miady fiainana , mingosy ho faty
Lay herim-pitiavana mba nantenaina
Vonjeo re raha misy afaka hanampy
Fa nofo anie aho, lena fa tsy maina
Mombamomba
Mpanoratra : RHAd

Nampiditra : RHAd
Daty : 08/06/2011
Mpamangy : 1646
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
RY MALALA !NY TANTARAKO
RESIN'NY TIANA
RAIKI-PITIA
VOADY
Faran'ny Noely
V I T A
ART D'AILLEURS
L’ENTRAVE
SI MON CŒUR