RESIM-PITIA (RHAd)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy adala anie ny fo raha mibaboka fa tia
Fa hery tsy hita no ndreo nampifangy
Tsy mety tototry ny atsanga nitsagana ho fefiny
Ny hanitra efa nentiny
Tsy voasakan’ny ankalana, nitsivalana ho hidiny
Reo atema ny antsavidiny

Fa fiotanam-po voafantina, ny mifanaiky hiara-dia
Fatomaty tsy mba tankina, ny voady ho doria
Hatramin’ny aiko na miala aza tsy mametra lay fitia
Fa Tianao aho, babonao, hatreto sy hatrary

ka na mitombo hery ianao na efa osa koa
Ny fitiavana nomeko afaka hanaranano fo
N'iza n'iza e! N'aiza n'aiza hisedrana antsika roa
Volamena vita sedra ho anao, ny fitiavako
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2053 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RHAd
Nampiditra : RHAd
Daty : 08/06/2011 17:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106