TAMIN'INY (RHAd)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tamin’iny lalana iny No nandrotsona ny foko
Ny fiantsampin’ny fitiavana
Dia voagejany aho fa tia
Tamin’iny andro iny
No niantomboka lay nofy
Namboloiko fa hiotazana
Fahasambarana dieny ety
Tamin’iny olona iny
No niantsampy te hiampofo
Tontolo hanitry ny mavana
Ny firedako hifangy
Tamin’Andriamanitra , eny
No nifaharan’ny finoako
Fa hotahiany lay fitiavana
Ka haharitra ho doria
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana