You are here: home > Vetso

TEBOKA FARANY - RHAd

Azo vakiana?

Montsana rava lay hanitro tia
Fa kalo efa konka no iray vela-tsihy
Mangana foana e! lay akom-baliha
Fa kely fiatonta reo vetsoko an-dry

Soraty ao an-tratra fa resy ny foko
Sasa-namitrana ratra tsy maty
Sokafy eo imolotra ny hadin-toloko
Sasa-niandrandra singa lo aty

Ny foko naratra nibitsika antsa
Fandrehitra handoro ‘lay  ferim-pitia
Kanefa bolisatra hatrany lay ratra
Dia miboredika foana lay foko malia

Sokajy : Fisarahana, Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : RHAd


Nampiditra : RHAd
Daty : 09/06/2011
Mpamangy : 1419
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

RY MALALA !
NY TANTARAKO
RESIN'NY TIANA
RAIKI-PITIA
VOADY
Faran'ny Noely
V I T A
ART D'AILLEURS
L’ENTRAVE
SI MON CŒUR