You are here: home > Vetso

TSY RENAO VE! - RHAd

Azo vakiana?

Nampitenenin’Andriamanitra amintsika,
Ny tontolo manodidina ho fampianarana efa vita
Fa isika efa nandrindrina ny retsi-panahiana
Tsy te-hanaraka ny didiny dia mitady ny tsy hita

Ny fahabangan’ny hafanana mampangiry ny fanala
Ny fandaozan’ny hazavana mampidiridiry ny aizina
Dia tondro marika hamantarana  fa nisy fandikana
Sy fioarana ny fefy efa natao tsy ho azo laizina

Ny fahoriana miapatrapatra, ny faharatsiana miheli-patrana
Dia baraingo sy ankamantatra, eritreritra tsy miafana
Ao an-tsain’ireo zay mpino hoe aiza ny Andriamaniny
Fa toa potraka ny marina, toa voafingana ny rariny

Nampiorenin’Andramanitra amintsika
Ny fanahiny, hamaly reny antso reny
Fa isika efa pahina amin’ny kiaka sesilany
Ka tsy mandre ny valiny efa nomeny ombieny

RHAd

Sokajy : fananarana, fiainana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : RHAd


Nampiditra : RHAd
Daty : 09/05/2011
Mpamangy : 648
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

RY MALALA !
NY TANTARAKO
RESIN'NY TIANA
RAIKI-PITIA
VOADY
Faran'ny Noely
V I T A
ART D'AILLEURS
L’ENTRAVE
SI MON CŒUR