ZANY MIHITSY AHO (RHAd)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy mpanoratra aho tsy poeta koa fa
Nanaiky ny hibitsika ny retsiky ny fo
Aminao zay te hiritsoka ny embona sy sento
Lazaiko aloha hatreto fa
Ny nibosesika nandrava sy namefika ny loha
Dia ny rangotra fitia sy ny rotorotom-piainana
Saingy ireny nisy isainana sy
Naka lesona ary nentina namoha
Reo ainga napalesina saika tsy nitrebona

Dia te hamborak’aho fa
Resy ny fitiavana, ka nindrana ny kalo
Dia nanoratsoratr’aho fa
Nangidy nampimalo reo jaly nitaranaiko
Ka raha vinakinao ireny, raha voatonona ao ny teny
Mino ianao rahavako fa ny “eny” nialovako
Tamin’ny bitsiky ny fo no nandrafitra hampamoaka
Reo vaingana nandaoka ny kamory ny fitiavako
Tonga ferim-panaintainako tsy mba mety levona

RHAd
--------
Rohy:
1201 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RHAd
Nampiditra : RHAd
Daty : 18/05/2011 06:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145