indrisy tononkalo (rjd)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indrisy re fa tononkalo
No mba azoko angaly
Raha injany fa mandalo
Ilay tsiaro mampijaly

Dia 'lay peniko fikiriko
Rah' mipenina ny saiko
Tsiahiko ianao fihiniko
Tiako haverina fa tsy haiko

Ka 'ty saiko mbola donto
No tereko hamoaka kanto
Hitovo anaty foko vonto
'Reo taraina sy antsoantso

Ireo onjan'onjan-tsentony
Tomaniny tsy mety hangina
'Reo korotam-betsovetsony
No arindra hamoaka rima

Saingy tena mahavariana
Mampihomehy, manirikiriny,
'Lay "tiako ianao" tsy miady rima
Misisika hameno andininy...

...Asa angamba mba hihena
Na mba ho afaka atsy ho atsy
Ny alahelo raha terena
Hiraikitra eto an-taratasy.
--------
Rohy:
Sokajy : Hanina
1873 2
Mpakafy: Rhayman - karako
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : rjd
Nampiditra : jdd.rakotozafy
Daty : 02/12/2014 05:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142