Angamba (rjd)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Injao mitaraina tsy mety mitony
Mitady ny anjarany ka tsy hangina
Ty fo babangoana, mandraika, milony
Onena ty banga handraisany tiana

Toa zaza tsy tiana giazam-patorana
Maniry hanana fiainana vao
Toa efitra miandry handray ranonorana
Hamelombelona ny aina efa lao

Ny mamy kanefa, toa tsy ho an'ny vava
Ny rano maria, tsy ho an'ny efitra maina
Ty foko voaforona hisento lava
Satria tsy natao ho ahy ianao sombin'aina...

Angamba ny sento hidify daholo
Ireo voronkely hikalo hira vao
Hiravaka hafaliana indray ny tontolo
Raha azoko atao e... ny mitia anao.
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
1118 1
Mpakafy: karako
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : rjd
Nampiditra : jdd.rakotozafy
Daty : 07/09/2014 04:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016