RATRAM-PO (RMANANTSOA Ricardo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indrisy ry fitiavako mahantra
Ilay fitiavana misaona tsy nisy mba nihantra
Toa fitia feno fijaliana
Tsy navela mba niteny notapenana hangina
Raha niangavy nitalaho fiantrana
Dia nojerena fotsiny ihany noroahina mazana
Ianao ry ilay tsy foina,hany tokako eto an-tany
Noheverina hampionona sy hitondra izato mamy
No indrisy fa niafina,niery tsy nitranga
Ka nandoko izato lanitra ho mainty fa tsy manga
Ianao tokoa mantsy ry ilay nantenaina
No nandrasako itondra hony @ tany karakaina
Kanjo inona no teo,fa toa masoandro mahamay
Izay nandoro sy nandrava,kanangidy toa sakay
Nantenaiko ianao,mba itondra fifaliana
Ka ampisokabava indray ity fitiavana nangina
Kanjo vao mainka nampitondra fahoriana
Sy nampitombo izato entako @ hazo fijaliana
Nantenaiko ianao mba anafana @ ali-mangatsiaka
Kanjo kay vao maika tonga rahona nanarona ity volana baliaka
Eny tena mafy izany indrisy
Satria ilay nantenaina mba anavotra no indro fa nidify
Ilay voninkazom-pahasambarana nantenaina mba amelana
No indrisy fa nalazo,vao maraina mba niserana
Namela fery lalina,eny ola-mandramaty
Ilay fitiavana voa-ratra latsa-paka ao anaty
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2274 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RMANANTSOA Ricardo
Nampiditra : ricardo
Daty : 07/03/2006 13:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106