HANARO (RN.alpha)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HANARO

Ô ry Ravao sy Ratrema
Hanaro ty zanakareo
Mailomailo ary dia mitandrema
Dia ny ankizy mba jerijereo

Izy iny jerena toa kely
Toa kely kanefa be saina
Zaza kely efa mahay "miresaka"
Fa hanaro raha toa sombiniaina

Akory tsy hoe manaratsy
Fa ny marina ny ahy no lazaiko
Izay fihetsiny izay any mantsy
Toa mandrebireby ny saiko

Hanaro ny zanakareo
Hanaro raha toa mbola vita
Fa raha iny no mbola hitako eo
Dia miteny aho fa ataoko mahita!

RN ALPHA
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
56 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RN.alpha
Nampiditra : AmjraPraise
Daty : 24/09/2024 21:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0566