TSIKY (RN.alpha)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSIKY

Namontsona madinika ilay hany nokapaina,
Manomboka mamaka ,mandalina aokizany.
Maniry miparitaka eny an-tany karakaina
ilay vony lany manja, tsy tiana tany hoany.

Madio manganohano ilay dobo nolotoina
fanahiniana tamin'ireny,
Ilay niely laza fa goaika, kay domoina,
Sendra fanipanina ka tsy afaka niteny.

Modely, soa fianatra izy izao ankehitriny
Aza na voailikilika, fa kosa tsy niviky,
Tsy taratry ny aniony izay nitranga teo fahiny,
ary koa ireo alahelony indro izao fa mody tsiky.

RN ALPHA
18/07/24 23h 39min
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
74 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RN.alpha
Nampiditra : AmjraPraise
Daty : 24/09/2024 21:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0514