TSINIKO (Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aoka hatao hoe ahy avokoa ny tsiny
Nahatonga ilay fifamalian-tsika iny
Nefa hamela ahy amin'izay ve ianao e?
Sa dia mbola tezitra sy vinitra hatrizao?

Tsy maninona f'aleo atao hoe diso aho
Dia mandohalika, mifona ary mitalaho
Aza manamafy fo, fa mamelĂ  sy itsero
Olona mandia tany, k'aza vesaran'alahelo

Raha sitrakao dia andao isika hifamela
Ny hatezerana akifiho mba tsy hiotrik'ela
Aoka izay, ka inty ny tenako ho fihininao
Fa ankafiziko sy mamiko ny eo anilanao



06 Mai 2013 - BABO
Malala
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana - Ady - Fitiavana
1689 1
Hevitra mandeha
mitsoa ( 12/06/2013 13:28)
andeh zatsy izy dia az mamerina intsony nef aoka ny akilany tsy hanararaotra ny fahtsoran andaniny!
Safosafo ( 14/06/2013 09:15)
mitsoa : misaotra anao nametraka hafatra! kanto ery ny famalinao azy izany, sady feno fahendrena. Mankasitraka !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Malala
Nampiditra : Safosafo
Daty : 09/05/2013 17:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096