ADALANAO (Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay tsikinao nambabo ny fo sy ny fanahiko
Tsaroako foana, tsy foiko sady tena mamiko
Tsiky iray avy aminao dia ampy hitrakako
Roa segondra monja dia mirana ny tavako

Rehefa sendra reraka iny aho any am piasana
Dia alefako any aminao ny saiko manontolo
Mihazakazaka izato foko miridana tsy tana
Velombelona ery ny aina, ary mitsangam-bolo

Adala e, mitsonika aminao hoy ilay hira iray
Satria tiko avokoa izay vitan-tsika hatrizay
Voatahiriko tokoa sy voarakitro ao am-po
Izay nifampizarana sy niarahan-tsika roa

Tiko akia indry a, tena marina mafy moa
K'aza ilaozana aho, fa ho very sy hamoy fo
Satria indry no ilay taratra hazavana ho ahy
Masoandroko sy mpamelombelona fanahy


14 Avril 2013 - BABO
Malala
--------
Rohy:
1026 1
Mpakafy: Safosafo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Malala
Nampiditra : Safosafo
Daty : 08/05/2013 20:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014