MBOLA TSY MIOVA (rovarandrianirina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola tsy miova lay fitiavatsika.
Mbola tsy rendrika hatramin'izao.
Zao matsy ilay tanjona hirina.
Ka ho tonga @fikasana tsika sy ianw.

Na teo aza ny olana mafy dia mafy.
Tsy natao ahakivy tsy natao hankalaina.
Tsy mba niondrika fa nitraka hatrany.
Tojo zavatra sarotra tsy maitsy sedraina.

Enao efa ahy,izaho efa anw.
Hifampintantana tsika hiara-dia.
Ny fitiavako rehetra efa nafoiko ho anw.
Natolotro tsy misy tambiny,mandrakizay doria.

Ianao lay nitomany nangina,nisento.
Nalaelo ny foko ka nivetsoventso.
Ity lay soratanako nataoko hampifaly.
Hatolotro ho anw hampisinda ireo jaly.
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
1044 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : rovarandrianirina
Nampiditra : rovarandrianirina
Daty : 17/03/2017 19:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142