RAHA AZONAO ATAO (RY.HO.TSY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
~"RAHA AZONAO ATAO"~
.
Aza atohokao ny molotro ny afero TSY MITAPOKA
... fa mba tapohy: indrafo
... mba larohy: fihantrana
F' ity nofoko efa ho lo
Ary efa drodroka sy hana e!
.
De Aza ataonao maro loatra ireo sedra sy ny KAPOKA
... fa mba tonio: vetivety
... mba tafio: safosafo
De mba hitaro elaela raha toa ka mba mety
Ny famonoanao ny afo
.
De aza atosikao intsony aho e! fa efa sasatra MIAKAPOKA
... fa mba tantano: hahay hamindra
... mba fahano: tsy ho noana
De mba tolory izay tsara sy mirindra
Indrindra, mba ampio ho afa-tsaona.
.
RYHOTSY
--------
Rohy:
395 1
Mpakafy: tsioory
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RY.HO.TSY
Nampiditra : tsioory
Daty : 05/12/2019 10:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133