You are here: home > Vetso

TEBOKA - RY.HO.TSY

Azo vakiana?

TEBOKA
.
Raha mafy fijadonana ilay teboka mpametra.
Ka namaran'amboletra
ny kinasa nantenaina.
Hatrany ataovy an-tsaina,
fa ialahy anie ilaina
ho olona miaina hahatanty lazon'ady e!
Fa tsy akory ho be taraina.
.
Fadio ny mitanondrika eo an-tany nahalavoana.
Fa hatrany mitrakà, ka ataovy tsara vona
ny tendrom-pihafaran'ilay tady nampilady.
Koa mivonon'ialahy hiady
sy hibanjina sahady
F'ilay hoavy hofitady a! Fahombiazana hiraraka.
Ka ho fandresena indray NY TEBOKA MANARAKA
.
RY HO TSY
(KIANJA ANDRALANITRA)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : RY.HO.TSY

Nampiditra : tsioory
Daty : 05/12/2019
Mpamangy : 74
Mankafy : 2

Tononkalo hafa

RAHA AZONAO ATAO
NGAOMA