Hevitra momba ny IZY IHANY

Hiverina amin'ny IZY IHANY
tsi ( 02/04/2007 16:11)
tsara be fa tohizo ô!
Ryana ( 04/04/2007 18:32)
Misaotra ô!
Ryana
scotlandyard ( 12/04/2007 19:46)
Raha toa ka izy ihany, no sary mba manemitra ny valindrihanao
Raha toa ka izy ihany, no tsiro tsara tsentsitra, natokanao ho anao
Raha toa ka izy ihany, no railovinao, mpanainga ny fanahy
Raha toa ka izy ihany, no nofy sy somamby haingon’ny tsiahy

Dia izao no ataoko anao,

Fihino ho anao irery , izany hamamiana izany, fatory tsy hiboraka
Aza ambarambara, tazony ho tantara , tandremo sao avoraka
Dia afeno azy, ilay fy indrindra, tanaty nofinao
Aza ataonao fantany, ireo sisika fitia, hetahetanao

Mba tsy hijalianao
miela ( 12/04/2007 23:12)
Kanefa...mba jereo ihany
Fandrao ny toy izany
Lay tampoka tsy nahy
Hay...silaka fanahy
ramalagasy ( 15/04/2007 04:52)
Marina zany
Ryana ( 21/04/2007 19:48)
misaotra anareo izay nitsidika sy naneho hevitra.
Ryana
vanjanofy ( 27/04/2007 11:02)
tsy izy ihany anefa no afaka hampisy ny tara-diavolana
hilomanosanao
f'izao no ataoko anao
aleo ianao mitia 'lay efa tia anao hatramin'ny taloha
toy izay mahita anao mijaly sy hahia
ka hamoy fo
ALEO MITIA IZAY TIA
TOY IZAY MITIA IZAY TIANA
Ryana ( 30/04/2007 18:47)
Ka ny fitiavana anie ry Vanjanofy tsy mety baikoana ê! Dia ahoana???
MIsaotra nandalo ê!
Ryana
njafah ( 27/08/2007 14:24)
tena resy lahatra ny tenanay e!mankahery hatrany Ryana a!
njaf
Ryana ( 29/08/2007 16:04)
REsy lahatra apin'ny ahoana kosa ry Njafah? MIsaotra nandalo dia mankasitraka ny fankaherezana ê!
Ryana
Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.009