Any ankoatra totosaina (FAMPIDIRANA) (S.bem)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho anao ry ilay nekeko sy mifono sarobidy
Ry niraisaiko lalao
Ny hanaovako an’ity tsy ho verinao tadidy
Mba ho tsangambatonao
Fa na nody vovoka aza araky ny mahanofo
Misy fetran’ny dia
Ilay fahiny tsika kosa volamena tsy mba miofo
Fa mamiratra doria
Tsy angina ny finoako eny tsy ho faty koa
Tena velona ao anaty
Fa any ankoatr’ity mandalo misy tany faharoa
Toerana tsy diavim-paty
Na ampitso na anio na ho aingana na ho ela
Hantenaiko ny fisiany
Vonona hahitanao izato singany tavela
Rehefa tapitra ny diany
Èry ry vovoka malala ilay fitia mahantra atsika
Izay niatra taman’aina sy ny rà nijininika
Ilay namohizanao harena sy ny maro noho izany
Indro fa hapetrako eto ho fitadidiana ihany
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
228 2
Mpakafy: Ako2 - hery
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : S.bem
Nampiditra : Ako2
Daty : 28/08/2023 12:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143