Iza no mahantra? (Samaritanina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iza no mahantra?
Tsy Gasikara mihintsy …
satria raha ireo hareny
dia ahafahana miteny
fa manana amby ampy
na tsy hisy hanampy…
ka tsy ny harena akory
no tena mampahory
ity Nosy mamy ity.

Iza no mahantra?
Tsy Gasikara mihintsy …
fa raha ny kolontsainy
maneho fa ny ainy
dia velona sy miaina,
ankatoavina hajaina…
ka tsy kolontsaina akory
no tena mampahory
ity Nosy mamy ity.

Iza no mahantra?
Tsy Gasikara mihintsy …
fa raha ny isan’ny olona
dia afaka mitolona,
miasa, manabe voho,
manangana tamboho…
ka tsy isan’olona akory
no tena mampahory
ity Nosy mamy ity.

Ka iza àry no mampahory?
Tsy iza fa ny Malagasy
izay notolorana harena
fa entin’ny fitiavan-tena
ka tsy mahadinika tantara
tsy mahatsinjo ny any afara
fa miroba sy miliba,
tsy manaraka ny riba…
Dia ireo ilay olom-bitsy,
tsy mitafatafa mihintsy
mivarotra, mizarazara
ny haren’ny Gasikara…

Dia iza koa no mampahory?
Tsy iza fa ny Malagasy
izay natambatra ho vato
saingy niova tato ho ato,
ka namadika ny dina,
nanary ilay firaisan-kina
fa matimatim-pahefana
sy ny tsolotra izay azo ialana…
ka milelaka olom-bitsy
izay tsy mitafatafa mihintsy
ny mangeja ny vahoaka
tsy hisaina ho tafavoaka…

Ary iza no mahantra?
Tsy iza ireo mahantra
fa ny Malagasy maro
izay tsy manana hatokona;
ireo tsy manan-damba ka mivokona;
ireo tsy manana na trano;
ireo kere tsy misy rano;
ireo miaina anaty fako,
mihorohoro sy voalako;
ireo mandry andriran’antsy;
ny mpianatra tsy ampy vatsy;
ireo tanora tsy an’asa,
tsy mahita na mikasa;
ireo miezaka mihafy,
maty, adala avy any andafy;
ireo mikarama varimasaka,
mbola zaraina sy asasaka;
ireo tanàna manirery,
izay tsy misy mba mijery;

Sy ny sisa tsy voantonona
ka mety mampimonomonona
ireo Malagasy maro izay mahantra.

Samaritanina
14/06/2016
--------
Rohy:
1048 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Samaritanina
Nampiditra : delmote
Daty : 15/06/2016 08:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135