Tiako ny Malagasy (Samaritanina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Gasy aho,
teraky ny tany,
Gasy ray sy reny,
Gasy saina sy fiteny;
Gasy foana, Gasy hatrany.

Gasy aho,
tia ny taniko,
ny fombany rehetra,
ireo lasa sy mitoetra,
ankafiziko ary mamiko.

Gasy aho,
ka mandala
ary tena mankato
ny soatoavin’ilay fo
izay mitia tsy mankahala

Gasy aho,
hiezaka hiaro
haneho izay tsara
holovain’ny ao afara
ary soa ho an’ny maro

Gasy aho,
na aiza alehako,
Gasy saina sy fanahy
tsy hadinoiko fa ho tsiahy
Ilay Gasikara reharehako

Gasy aho,
izay no ananako;
na hiala izato aiko
tsy ho afaka ao an-tsaiko
Fa i Gasikara no tananako.

Samaritanina

12/12/2015
--------
Rohy:
1084 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Samaritanina
Nampiditra : delmote
Daty : 09/04/2016 10:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0718